Ho fanatsarana ny site dia mety hisy fanelingelenana kely ato ho ato ka dia ialana tsiny mialoha. Hiezaka anefa izahay ny mba hanao izay tena hahakely izany. Ny forum dia tsy ho tapaka mihintsy. Misaotra tompoko
Fandraisana
IREO KARAZANA ALIKAB
Amstaff
Alika Gasy
Boerboel
Coton de Tulear
Dogue Allemand
Fomba fisafidianana alika

Fitaizana sy baiko

ZAVA-MISY
Ireo alika mampidi-doza
Feon-gazety
ROHY ISAN-KARAZANY
Iza no ataonao anarany?

Xena - Amstaff

Oceane - Dogue Allemand
Toufou - ''Alika Gasy''

 ASA

Mpibaiko
Dogsitters
Hafa
SERASERA

                                      

 
 

 IREO HETSIKA REHETRA NOKARAKARAIN'NY ASSOCIATION DES CYNOPHILES DE MADAGASCAR (ACYM)

 
 Randonnee du 05 juillet 2008 à Andranovelona 
 Randonnee du 07 juin 2008 à Maharidaza 
 Randonnee du 03 mai 2008  à Ambatomirahavavy
 


 

 

 

 

 

 

 

 

XENA & TEE     

 

e-mail: xena.amstaff@yahoo.com
Tranokala ho ambohim-pihaonan-tsika rehetra tia alika

Ao izahay no mitsabo sy manara-maso ny alikanay

Vakio ato ny torohevitr'i Dr Louisie avy ao amin'ny Arche veterinaire

RANDONNEE 05 JUILLET 2008 A ANDRANOVELONA - Karakarain'ny Association des Cynophiles de Madagascar (ACYM) -

Ny toerana kosa dia atolotr'i Thierry (Thierav ao amin'ny forum)

Any Andranovelona indray ny Randonnee manaraka, somary lavidavitra ihany s ny satria dia 45km miala eto Antananarivo! Na izany aza dia tsara ny lalana, misy secondaire eo ho eo amin'ny 500m eo izay plat tsara. Manasa anareo izay tia alika izahay ho avy hiaraka hilalao aminay. Satria randonnee miaraka amin'ny alika io dia tsara kokoa raha mitondra ny alikany ny tsirairay, na izany aza anefa dia afaka mandeha any avokoa na ireo tsy manana alika aza, kanefa tia alika, na koa ireo tsy afaka ny handeha ny alikany nohon'ny antony samihafa. Ary na ireo mieritreritra ny mba hanana alika aza dia tsara mihintsy ny mandeha, mba ahitana torohevitra isan-karazany ary koa mba ahafahany mieritreritra izay tena alika ho alainy.

Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Amstaff ianao dia mankanesa eto

PASSEZ VOS PETITES ANNONCES GRATUITES ICI (VENTE, ACHAT, SAILLIE, PERDU/TROUVE........)

NB : chargez vos photos au http://imageshack.us, cliquez sur parcourir, insérez une image à partir de votre ordinateur. Ensuite cliquez sur ‘Host it’. Des codes Html et des liens apparaissent. Choisissez ‘Show image to friends’, (commencant par ‘http’) copiez le lien et collez sur l’Url de l’annonce

 EFA VOAOMANA MOA NY TOERANA HANAOVANA NY FITSANGATSANGANANA IZAY ATOLOTR'I THIERRY HILALAOVANTSIKA (THIERAV NO PSEUDONY AO AMIN'NY FORUM)

   

Na somary lavitra aza dia tena tsara tokoa ny lalana.   500m fotsiny ny lalan-tany ary plat tsara             

   

       Ao anaty faritra voafefy isika no hilalao, izay misy tokontany malalaka afaka mandray ny alikan-tsika
 
  
Efa vonona koa ny Parking hametrahana ny fiara rehefa mandeha isika, ny circuit moa dia iny taza-maso iny
 

AZA ADINO NY MITONDRA BIDON KELY HATSAKANA EAU VIVE

     

  

Efa voaomana avokoa na ny hanaovana grillade na ny toerana hipetrapetrahana hifana-kalozan-kevitra

Toy izao ny fotoanan-tsika:

Izay ho avy dia tsara raha mampilaza mialoha an'i Ginot ao amin'ny 032.40.683.14 na ny 034.04.552.52 mba ahafahana manomana ny sakafon-tsika tsirairay (dejeuner sy grillade) ho an'izay tsy afaka mitondra, ka any vao aloha ny fandraisana anjara 7.000 Ariary isan'olona. Ho an'izay hitondra moa dia tsy maninona fa any hifampizarana miaraka amin'ny rano izay entintsika tsirairay, satria isika mpitia alika rehefa miaraka dia tahakan'ireny fianakaviambe ireny!

Amin'ny 9h ny fiaingana eo amin'ny Station Total eo Alakamisy-Ambohidratrimo, amin'iny lalana mankany Mahajanga iny, rehefa tonga any isika dia avy hatrany dia mandeha amin'ny lalana hiarahan-tsika mitsangatsangana amin'ny alika. Hisy guide local moa any sady hitantara amin-tsika ny tantaran'Andranovelona, izay misy ilay faritra efa fahenontsika hoe Babay sy Lohavohitra, ary koa ilay ranovelona famokarana ny Eau Vive. Mety eo ho eo amin'ny 6-8km eo ho eo ny mandroso sy miverina. Hanao asam-panasoavana kely ny tanana isika avy eo, ka ny hatolotsika amin'izany dia ireo akanjo na kiraro na fitaovana samihafa izay tsy ampiasain-tsika any antrano intsony (ento izay mba voatsirambin'ny tanana e!) Avy eo isika dia miara-milalao amin'ny alikan-tsika avy mandrampaha vonona ny sakafo. rehefa vita ny sakafo dia sady mihinana no miresadresaka mifanome torohevitra sy fampahalalana isan-karazany ho an'ny rehetra. Mody daholo isika avy eo any amin'ny 4 ora hariva any.

Manantena avokoa isika rehetra ny hahita ireo alika efa nandeha randonnee sy ireo alika vaovao toy an-dry:

         

 Camy - Berger Malinois (Thierry)                  Rudy - Amstaff (Andry1)                  Carlo - Berger Allemand (Andry2)

        

Bouffie-Coton de Tulear(Bigboer)  Bulky-Dogue Argentin(Ginot)-  Duke sy Fattah - Danois(Andry,   Rabemila)     

  

Donga - Boerboel (Papoose)            Calypso - Matin de Naples (Simonic) - Akino -Rottweiller (Noely)

Samy manantena ny ahitan'ireo avokoa isika rehetra, ary koa ny alikan'ireo namana vaovao mety ho tonga any. Tsy hifanomezan-tsiny moa ny mety tsy fahafahana, fa raha azo atao dia tongava daholo e! Aza adino koa ny mitarika ireo namana hafa tia alika fa tena mahafinaritra tokoa raha n randonnee rehetra efa nisy hatramin'izay. Aza adino ny mitondra laisse, gamelle, museliere raha tena ilaina, ary koa ny sakafon'ny alika, indrindra fa ny rano.

Bugs sy Bunny - Terre Neuve (Serge)                               tsy hoe rehefa miaraka amin'i Caya (amstaff) dia tsy      

                                                                                                maintsy hoe Samantha, fa i Andry io (tonga ialahy a!) 

Dia ho avy koa izany i Mascara an! sa ahoana ry Harifidy?

AZA ADINO NY MITONDRA BIDON KELY HATSAKANA EAU VIVE

American pit bull terrier, American pit bull, pit bull terrier, pit bull, pitbull, pittbull, pitt bull, gamebred, American gamedog, game pit bull, K9, detection dogs, police dog, police dogs, detection dog, bomb dog, narcotics detection dog, explosives detection dog, Boldog Kennel, Diane Jessup, BSL, dog training, schutzhund, French ring sport, tracking, tracking dog, agility dog, weight pull, weight pulling pit bull, dog crate, pit bull books, pit bull book, dog training, dog fighting, Washington State Patrol, breed specific legislation, dog agility, gamedogs, game dogs, American gamedog, dog fighting, treadmills, jenni, catmill, springpole, weight pulling, dog aggression

Mivarotra fitaovana sy kojakoja vita malagasy, toy ny collier, laisse ary harnais koa izahay, izay azonao jerena avy hatrany ao amin'ny Arche veterinaire Itaosy na koa azonao jerena sy komandina eto.

 


View GuestBook Sign GuestBook 

 

  Xena & Tee - Antananarivo

aha