|
|
XENA & TEE
Tel: 034.01.117.99
PAGE SPECIALE RANDONNEE DU 03 MAI 2008 A AMBATOMIRAHAVAVY - ACYM |
|
|
 |
Ao izahay no mitsabo sy manara-maso ny alikanay | Vakio ato ny torohevitr'i Dr Louisie avy ao amin'ny Arche veterinaire
|
RANDONNEE DU 03 MAI 2008 TANY AMBATOMIRAHAVAVY, NOKARAKARAIN'NY ACYM
Nahafinaritra tanteraka ny randonnee ary mino izahay fa tena afa-po tanteraka izay tonga tany ary mety nanenina izay tsy tonga, tsy maninona izany fa amin'ny manaraka mbola hisy ihany ary tongava daholo amin'ny manaraka e! Indrindra fa ireo manana alika kely toy ny Coton de Tulear, Yorkshire sns, Jack Russel sy 'alika gasy' e! Tsy ho be kabary aho fa dia aleo ny sary no hiteny e! Ary nankaiza daholo ireny manana Bullmastiff, Matin de Naples sns ireny? Tongava amin'ny manaraka e!
circuit nomanin'ny ACYM, 4km teo ho eo |
makamaka aina kely fa 4km kosa ve? |
Duke sy - Dogue allemand |
Leo sy Camille - Berger Malinois 5mois. Tsara daholo na ny alika na ilay couple e! |

Tonga koa ny alika gasy hijery vazaha |
Ity vao hoe 'Miara mirona ry kala alika' |
Tsy gorille hoa ireo fa Terre Neuve (Newfie), i Bugs sy Bunny an'i M. Serge Rabetrano |
Rottweiler - Kimi, Hendry tsara fa haka sary ny alikan'i Naina |
izany ny Dogue Argentin an'i Ginot avy ao amin'ny Domaine des Grands Bleus |
Carlos, Berger Allemand an'i Andry - Bokona be io bandy tompony io an! Raha tsy izany koa tsy mahatana azy e! |
Jejojeo ery manao 'marche au pied sans laisse' a! I Michael sy i Brad Dogue allemand ireo
|
Amstaff io, Faucon anadahan'i Xena io, tena mitovy be aminy mihintsy saingy somary lehibebe kokoa! An'i Njeva sy Mialy io
|
|
Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Amstaff ianao dia mankanesa eto
io i Donga, Boerboel an'i Papoose io |
Fa dia nitangorona ny olona hijery ireto alika manan-kaja! |
Sady manao resaka alika no mihinana 'hot dog' - Ny sasany ihany ireo
|
Duke - Dogue Allemand an'i Andry |
Bugs sa Bunny? - Io Bogosy be rarakivy |
Jereo ilay Malinois fa mihomehy! |
Toufou - 'Alika gasy', |
Dogue Allemand, Manteau, an'i Pdt Mamy |
MISY ALIKA TSARA TAREHY HAFA TANY FA SAINGY TSY AZONAY NY SARINY, FA RAHA TIANAO HISEHO ETO DIA ALEFASO ATY AMINAY, TOY IZANY KOA NY ANARAN'NY ALIKA SASANY.
(Dogue Allemand, Coton de Tulear, sns) |
Raha te hahalala ny atao hoe Alika Gasy kosa ianao dia mankanesa eto
Oceane - Dogue Allemand merle |
Aza misalasala mihintsy mandefa fanintsiana na sosokevitra raha hitanareo fa ilaina izany, satria ity site ity dia natao ho antsika rehetra tia alika. Raha manana site miresaka momban'ny alika koa ianao dia alefaso aty raha tianao asiana rohy (lien) ato aminay. Raha toa moa ianao ka matihanina eo amin'ny sehatry ny alika (eleveur, agence de securite, distributeur de produits alimentaires et accessoires...) ke te hanao dokam-barotra ato dia manorata aty aminay.
|
Raha te hahalala bebe kokoa momban'ny Dogue Allemand ianao dia makanesa eto
 |
Mivarotra fitaovana sy kojakoja vita malagasy, toy ny collier, laisse ary harnais koa izahay, izay azonao jerena avy hatrany ao amin'ny Arche veterinaire Itaosy na koa azonao jerena sy komandina eto.

|
|